Tandremo! Toy ny mandeha ho azy, hono, raha ny filazan’ny minisitry ny Fitsarana, ny fandefasana am-ponja vonjimaika ny voampanga iray amin’izao fotoana izao raha sendra miakatra Fampanoavana ny raharaha iray. Tsy baiko nidina io na lalàna mipetraka fa ny fanasaziana nataon’ny minisitra an’ireo mpitsara efatra, izay voasaringotra tamin’ny fanomezana fahafahana vonjimaika ny lehilahy iray tany amin’ny fonjan’i Toamasina, nefa voampanga ho atidohan’ny raharaha fakàna an-keriny, no nitarika an’izao fampidirana am-ponja mandeha ho azy izao.
Nanjary nipetraka ho mpampianatra mihitsy moa ingahy minisitra raha niantso an’ireo mpitsara mba tsy hiahiahy na hatahotra amin’ny fanatanterahana ny asany. Raha ny tokony ho izy dia ny mpitsara no faritana fa mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara noho izy mandray an-tanana ny famahana ny olana samihafa (Heloka bevava, fifandirana, fifanolanana, tsy fitovian-kevitra…) eo anivon’ny fiarahamonina. Fialokalofan’ny osa mitady ny marina, hono, ny lapan’ny Fitsarana, araka ny sorabaventy hita raha sendra miditra etsy amin’ny lapa etsy Anosy isika. Tao anatin’ny taona maro kosa anefa dia voasokajy tao anatin’ireo sehatra telo nanjakan’ny kolikoly ny Fitsarana teto Madagasikara.
Mbola ahiahina kolikoly ihany koa mantsy no antony nampiatoan’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny asany an’ireo mpitsara efatra namoaka « didy hafahafa », tany Toamasina ireo. Vao mainka hafahafa izao fampahafantarana ny zava-misy nataon’ny minisitra izao, satria sady tsy vahaolana fa olana fanampiny, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahafenoan’ny fonja manerana ny Nosy. Karazana fanehoana hatezerana ho firaisan-kina amin’ireo namany mpitsara efatra ve no mahatonga an’izany fampidirana am-ponja vonjimaika toa lasa mandeha ho azy izany, sa tena tahotra tokoa ? Eo no mipetraka ny fanontaniana fa toy ny ody varatr’i mompera aloha ny fisorohana ny fiakarana Fitsarana amin’izao fotoana izao : ny aza mba voany !