Nahitam-bokany, roa andro taty aoriana, ny fikarohan’ny zandary miaraka amin’ireo mpiandry fonja an’ireo gadra enin-dahy nivoaka ny fonjan’i Maroantsetra, tamin’ny alin’ny talata lasa teo. Namoy ny ainy novonoin’ny fokonolona ny iray. Voasambotra kosa ny telo hafa.
Mbola karohina ny roa ambiny. Noentina any Toamasina izy telo azo sambo-belona, taorian’ny famotorana vonjimaika natao hahafantarana ny mety ho toerana nandosiran’ny roa ambiny naman’izy ireo.
Nandeha andro aman’alina ny mpitandro filaminana nitady an’ireo gadra tafatsoaka. Mizarazara sy manao andiany izy ireo. Zandary telo sy mpiandry fonja iray no miara-dalana. Tratra, omaly, ny efatra tamin’izy enin-dahy.
«Tsy misy sary ireo voafonja nandositra ka ny mpiandry fonja miaraka amin’ny zandary no noentina ahafantarana azy ireo. Tsy niara-dalana fa tratra tsirairay tany amin’ny tanàna mihoatra lavitra an’i Maroantsetra ny telo lahy. Nisy tamin’ izy ireo no tratra tao an-tranon’olona, nisy ny efa reraky ny hanoanana. Nisy kosa no mbola afaka nisotro toaka», hoy ny kaomandà Manahirana Fils Emilio, lehiben’ny Kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena, any Maroantsetra.
Nosamborin’ny fokonolona tany Ambodimandrorofo, tanàna mifanakaiky amin’i Maroantsetra, indray ny gadra fahefatra. Nonina tao amin’io tanàna io izy, iray volana lasa izay. Raharaha fanolanana narahina famonoana ho faty vehivavy iray no fantatra fa antony nitazonana am-ponja azy vonjimaika. «Hitan’ny fokonolona nihaodihaody teo an-tanàna ilay lehilahy. Tsy vaovao amin’izy ireo ny endriny noho izy efa mponina tao. Voasambotra izy saingy mbola afaka nanohitra ka tafatsoaka. Nihamaro ny olona nanenjika sy namono azy», hoy ihany ny kaomandà Manahirana Fils Emilio. Voalaza fa sady voatora-bato no voafira zava-maranitra ity novonoin’ny fokonolona ity. Potika ihany koa ny lohany.