Home Spoliation à Madagascar Mbola Rajaonah - Mbola voatonona amin’ny fakana tanim-panjakana tao Antsakaviro Ankorahotra -...

Mbola Rajaonah – Mbola voatonona amin’ny fakana tanim-panjakana tao Antsakaviro Ankorahotra – La gazette DGI du 8 avril 2019

Naresaka tato ho ato, indrindra fa tamin’ireo raharaha momba ny fivarotana ny tanin’ny kaominin’Antananarivo (tanim-panjakana) ny hoe “ny filohan’ny filankevitra ny tanàna no nifampiraharaha sy nanao sonia ny taratasy fifampivarotana”.

Araka ny fitenenana matetika moa hoe “tsy avelan’ny hasin’ity tanindrazana ity tsy hivoaka ny marina”, dia toa ahenoana vaovao hafahafa mampieritreritra amin’izao fotoana ny amin’ireo fifanarahana fifampivarotana tany teo ambany fiadidian’ny tanànan’Antananarivo ireo.
Re mantsy fa misy taratasy fifampivarotana natao hosoka ny vaninandro nanaovana azy. Izany hoe, raha vantanina amin’ny fomba fiteny mahazatra, dia hoe “anti-daté”. Indraindray, fifampivarotana vita taty ambadika ny taona 2006 na taty aoriana nefa dia ny tao anatin’ny filankevitra ny tanànan’Antananarivo tany ambadika ny taona 2000 no nampanaovina sonia azy. Asa raha misy amin’ireo tanim-panjakana eo ambany fiadidian’ny kaominina izay mahabe resaka amin’izao fotoana no tratran’izany fa ny re aloha dia ny tanin’ny kaomina etsy Antsakaviro Ankorahotra dia isan’ny natao an’izany, ary efa lasan’olon-tsotra amin’izao fotoana. Mbola voatonona amin’izany koa ny anaran’i Mbola Rajaonah.
Efa miresaka an’Antsakaviro Ankorahotra ihany isika, tsy lavitra eo fa eo ambonimbonin’ny efitrano fianarana ho mpitsabo (Ecole de médecine eo Antsakaviro), misy an’ilay trano naorin’ny Arema ho an’ny Koparema tamin’ny fotoanandro. Tanim-panjakana koa izy io saingy ankehitriny dia re fa efa misy olon-tsotra manana titra amin’izy io. Ahoana koa ny momba an’io, satria manitikitika ny sain’ny maro eny amin’ny manodidina ny fijoalajoalan’ny rihin’io trano io amin’izao fotoana. Efa misy rihina efatra, angaha, izy io izao!

Ka mba mitaky ny fanadihadiana mba hampanjakana ny mangarahara ny vahoaka satria amin’ny raharaha fifampivarotana toa ireny dia toa mba manana tombon-jo ihany ny mpifanila vodirindrina amin’ny tokony ho fisitrahana an’izy ireny (Droit de préemption).

Momba ny tany nahabe resaka teo aloha teo koa, dia ilay niorenan’ny Sekoly Ambaratonga faharoa fototra (Ceg) eny Analamahitsy, mba mitaky ny Bianco koa hiditra lalindalina amin’ny fanadihadiana momba an’io raharaha io fa re hoe misy olona akaiky ny manam-pahefana ara-panjakana ambony ankehitriny (toa vadina minisitra), toa miray tsikombakomba maloto hiarovana ny tsy ara-dalàna amin’io raharaha io.

LEAVE A REPLY

Please enter your comment!
Please enter your name here

Most Popular

Seulement 3 ans d’emprisonnement ferme pour Ralala un des cerveaux des kidnappings à Madagascar – D’autres procès pour ce jour – Les Nouvelles du...

La décision de justice concernant des individus impliqués dans des affaires de kidnapping, a provoqué des remous en fin de semaine dernière. Les réactions sont...

Un ancien chef de service administratif et financier avec un régisseur au ministère des Mines ont été condamnés respectivement à dix ans et huit...

Au terme d’un procès houleux qui s’est déroulé à la Cour criminelle du Pôle anti-corruption, avant-hier, un ancien chef de service administratif et financier...

Recent Comments