Manao fihaonamben’ireo vadintany (huissiers de justice et commissaires priseurs) manerana ny Nosy ny rafitra nasionaly misahana ny vadintany sy ny mpanao lavanty, nanomboka omaly. Haharitra telo andro ity fihaonana ity ary betsaka ireo zavatra hodinihana saingy lehibe amin’ireny satria mampitaraina ny vadintany maro ny momba ny olana amin’ny fampiharana didim-pitsarana, izay anjara asan’ny vadintany, araka ny voalazan’ny lalàna.
Voatohintohina noho ny antony maro io teboka iray tena ahafantarana an-dry zareo io. “Ny raharaha ady tany sy fandroahana olona amin’ny trano matetika no tena miteraka olana”, hoy izy ireo.
“Betsaka ireo zavatra hodinihinay mandritra ity fihaonana ity. Ankoatra ireo olana amin’ny fanatanterahana ny asa dia hisy koa ny fifampizarana traikefa sy fiofanana homena ireo vadintany. Hohenoina ny tatitra sy fitarainana ataon’ny vadin-tany avy amin’ny faritra momba ny zava-misy any amin’izy ireo tsirairay. Hohavaozina ny sata mifehy ny fivondronan’ny vadintany eto Madagasikara. Hisy ny fandrafetana fitsipika anatin’io rafitra io. Mandritra izao fihaonana izao ihany koa no hanamboarana ny sata hifehy ireo mpanampy anay amin’ny asa na ireo -clerc-”, hoy Rasamimaka Mahefalahy, filohan’ny rafitra nasionaly ivondronan’ireo vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara.
Nijoro vavolombelona nitantara ny olana sedrain’izy ireo ny vadintany Rajaonarimisa Minosoa. “Ao anatin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara hoe omena baiko izahay hanatanteraka ny didim-pitsarana. Ny zava-misy anefa, hoy izy, dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana any amin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambony vao mahazo mana tanteraka didy iray, indrindra raha vao resaka ady tany.
Tsy vitan’izay fa raha misy aza ny fahazoan-dalana dia mety mbola hisy indray ny teny midina mampihantona ny fanatanterahana ilay didy. Ampahany ihany io amin’ny olana atrehina fa horesahina eto avokoa moa izany”, hoy izy.