Home Indépendance de la justice à Madagascar SMM - Tsy mbola manana fahaleovan-tena ny fitsarana satria ny minisitry ny...

SMM – Tsy mbola manana fahaleovan-tena ny fitsarana satria ny minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo no milaza fa tsy azo avoaka ny mpanao “kidnapping” – La gazette DGI du 5 avril 2019

Nanambara ny heviny omaly alakamisy faha 04 aprily 2019 ingahy Clément Jaona izay filohan’ny sendikan’ny mpitsara Malagasy eto Madagasikara (SMM) mahakasika ny raharaha nampiatoana ny mpitsara dimy tany Toamasina izay nanome fahafahana vonjy maika ilay olona voarohirohy fa mpanao “kidnapping” antsoina hoe  Manantena Dina Hajanirina.

Hoy indrindra ingahy Clément Jaona raha nilaza ny fahitany iny raharaha iny: “tsy manana ny fahaleovan-tenany mihitsy ny fitsarana satria mbola mibaiko azy ny mpanatanteraka. Nahoana no ny minisitra ny Fitsarana Jacques Randrianasolo no milaza fa tsy azo avoaka ny mpanao “kidnapping” ? Midika izany hoy izy fa voabaiko ny mpitondra tanteraka ny mpitsara Malagasy”. Tsy afaka mitsara amin’ny feon’ny fieritreretany sy amin-kahalalahana intsony ny fitsarana.

Manontany ity filohan’ny SMM ity fa mba tokony hanome ny porofo ilazany ny antony mazava tsara ny minisitra amin’ny fampiatoana ireo mpitsara ireo.

Tamin’ny volana febroary 2019 izay fotoana nandraisan’ingahy Clément Jaona ny fahefana maha filohan’ny SMM azy dia nanambara ny tenany fa hanery ny fanjakana mpanantanteraka hampihatra ny lalàna amin’izay ary hitandro ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana.

Voalazan’ingahy Clément Jaona koa fa efa nandeha any amin’ny filankevi-panjakana na “Conseil d’Etat” iny raharaha iny ka ho hitantsika eo ny tohiny. Ny antony dia nandefa fitoriana any amin’ity rafitra ny fitsarana izay natao hiady amin’ny fanjakana ity ireo mpitsara dimy ireo.

Raha izay no mitranga amin’ny sendika ny SMM sy ny fanjakana na ny minisitra ny Fitsarana, ny loharanom-baovao azonay avy any Toamasina indray milaza fa misy olona maro manomana fitakiana momba ny antony namoahana ity olona nanao “kidnapping” ity. Tsy eken’ireo olona ireo velively ny famoahana azy io raha ny loharanom-baovao hatrany.

Hery telo lehibe izany izao no mety hifandona amin’ity raharaha tany Toamasina ity, dia ny SMM sy ny fanjakana, ny fanjakana sy ny mpitsara sasany, ary ny vahoaka izay tsy nankasitraka iny famoahana iny.

Samy manana ny fomba fijeriny izy telo ireo amin’ity raharaha ity ka hohitantsika eo ihany ny tohiny.

Jesy Rabelaolao

LEAVE A REPLY

Please enter your comment!
Please enter your name here

Most Popular

Seulement 3 ans d’emprisonnement ferme pour Ralala un des cerveaux des kidnappings à Madagascar – D’autres procès pour ce jour – Les Nouvelles du...

La décision de justice concernant des individus impliqués dans des affaires de kidnapping, a provoqué des remous en fin de semaine dernière. Les réactions sont...

Un ancien chef de service administratif et financier avec un régisseur au ministère des Mines ont été condamnés respectivement à dix ans et huit...

Au terme d’un procès houleux qui s’est déroulé à la Cour criminelle du Pôle anti-corruption, avant-hier, un ancien chef de service administratif et financier...

Recent Comments