Home Exécution sommaire de la police malgache Communiqué de la police nationale malgache suite à l'exécution en public par...

Communiqué de la police nationale malgache suite à l’exécution en public par policier d’un supposé bandit

FANAMBARANA AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

« Ny Polisim-pirenena natao hiasa sy hiaro hanakaiky hatrany ny vahoaka »

Ny eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka dia manao izao fanambaràna izao manolona ny tranga mahakasika ny raharaha naharavana tambazotran-jiolahy tamin’ny marainan’ny zoma faha 23 ny volana aogositra 2019 lasa teo.

Nahatsiaro tena ho nahavita ny adidy sy ny andraikitra manoloana ny fiaraha-monina ny fianakaviam-ben’ny Polisy raha nahasakana ny fanafihana izay nokasain’ireto jiolahy ireto notanterahana teo Antsahamanitra. Sahirana anefa raha niara-nahita tamin’ny be sy ny maro ny horonan-tsary izay nampiseho ny zava-nitranga teo Ampefiloha.

Manamarika izahay fa :

1. Ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny ady amin’ny asan-jiolahy dia adidy masina sy saro-pady ;

2. Ny fanatanterahina ny iraka nankinina amin’ny Polisim-pirenena dia voafehin’ny lalàna velona misy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ;

3. Manamafy hatrany izahay fa efa nirosoana ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny departemantan’ny Filaminam-bahoaka koa tsy hihemotra amin’izany intsony ny Ministera.

Noho izany :

Nanapa-kevitra ny eto anivon’ny foibem-pitantanana ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny hanokatra fanadihadiana mahakasika iny teo-draharaha iny mba hisehoan’ny marina ary handray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany, araka ny lalàna velona.

Miantso ireo olom-pirenena rehetra hifanome tanana amin’ny famahana ny olana amin’ity toe-draharaha ity.

LEAVE A REPLY

Please enter your comment!
Please enter your name here

Most Popular

Seulement 3 ans d’emprisonnement ferme pour Ralala un des cerveaux des kidnappings à Madagascar – D’autres procès pour ce jour – Les Nouvelles du...

La décision de justice concernant des individus impliqués dans des affaires de kidnapping, a provoqué des remous en fin de semaine dernière. Les réactions sont...

Un ancien chef de service administratif et financier avec un régisseur au ministère des Mines ont été condamnés respectivement à dix ans et huit...

Au terme d’un procès houleux qui s’est déroulé à la Cour criminelle du Pôle anti-corruption, avant-hier, un ancien chef de service administratif et financier...

Recent Comments