Ny fanafahana no fitsipika, fa efa fanapahan-kevitra miavaka kosa ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Lasa niteraka olana eo amin’ny famoahana didim- pitsarana anefa ny raharaha mikasika ny fanasaziana an’ireo mpitsara efatra tao Toamasina, izay nanome fahafahana vonjimaika an’ilay olona voarohirohy tamin’ny fakàna an-keriny.
Notsorin’ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques fa: «lasa matahotra fahatany fanasaziana ireo mpitsara mamoaka didy ankehitriny noho io zava-nisy io, hany ka miditra am-ponja vonjimaika ny ankamaroan’ireo voarohirohy amin’izao fotoana izao. Tokony hijery an’ireo vesatra iampangana an’ireo olona tsaraina anefa izy ireo», hoy izy, omaly, nandritra ny fanokafana ny fampiofanana an’ireo Tonian’ny mpampanoa lalàna, tetsy amin’ny Sekolim-pirenena fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha, tetsy Tsaralalàna (Enmg).
Nisy ny hafatra nalefany. « Aoka tsy hihaino be fahatany ny fanapahan-kevitry ny mpanatanteraka ianareo. Tokony ho hafainganina ihany koa ny fangatahana fahafahana misy fepetra ho an’ireo izay voafonja mangataka izany ka hitan’ny lehiben’ny fonja fa tokony hisitraka izany », hoy Randrianasolo Jacques, minisitry ny Fitsarana nanoloana ireo lehiben’ny Fampanoavana rehetra.
Nivoitra nandritra izao fampiofanana izao ihany koa ny fampiasana solosaina hanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ireo rantsam-pitsarana eto Madagasikara. «Hisy ny fanomezana toromarika an’ireo Fitsarana manerana ny faritra. Fomba fiasa vaovao no hampiharina amin’izao vaninandro maoderina izao», hoy hatrany ny minisitry ny fitsarana.
JR